Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fonjan’Ankazobe: nanome fanampiana i Norvezy  

Fonjan’Ankazobe: nanome fanampiana i Norvezy   

 Notanterahina, ny talata teo tany Ankazobe, ny hetsika fanohanana nataon’ny masoivohon’i Norvezy, i Johan Kristian Meyer, ny tontolon’ny fonja. Nitondra ny anjara birikiny tamin’ny alalan’ny fanasarahana ny fonja ao Ankazobe natokana ho an’ireo zaza nania sy ireo olon-dehibe izy ireo tamin’izany. Tonga tany an-toerana niatrika izany ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, Rabarisoa Andry, sy ny tale jeneralin’ny fandraharahana fonja ho an’ny faritra Analamanga. « Misy ny ezaka ataon’ny minisitera ho fijerena ny maha olona amin’ireny fonja ireny. Eo koa ny famerenana azy ireo tsikelikely eo anivon’ny fiarahamonina. Tanjona ny hampiakarana avo roa heny ny tetibola ho an’ny sampandraharaham-paritry ny fandraharahana fonja, araka ny fanamby napetraky ny minisitra », hoy ny tale kabinetra.  

Natsangana ny taona 2000 ity fonja any Ankazobe ity ary anisan’ireo 13 tsy mbola misy fanasarahana ireo tsy ampy taona amin’ireo fonja 43 manerana ny Nosy. 211 ireo voafonja ao an-toerana ka dimy ireo zaza tsy ampy taona. Ankoatra izany, manana velaran-tany 1 ha hanaovana zaridaina fambolena karakarainy ireo voafonja.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.