Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Amboaran’ny Caf»: hiatrika lalao miverina i Dax

Afaka roa andro, hiatrika ny lalao ampaha-16-n-dalana miverina, hiadiana ny amboaran’i Afrika (Caf), ny Elgeco Plus sy ny Kaizer Chiefs avy atsy Afrika Atsimo. Fihaonana, hotanterahina, ny asabotsy 22 desambra ho avy izao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Raha tsiahivina, hanala vela ny Elgeco Plus, lavon’ny Afrikanina Tatsimo, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso, herinandro lasa izay.

Fantatra izao fa ho anisan’ireo mpilalao handrafitra ny Kaizer Chiefs ary ho avy eto Madagasikara Andriamirado Arohasina (Dax). Nahafa-po ny mpanazatra azy ny endri-dalao nasehony, teo amin’ny fihaonana mandroso, ka naharesy lahatra an’i Ernst Middendorp, mpanazatra, hampiditra azy ho anisan’ireo mpilalao entina ho eto Madagasikara. Voalazan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Kaizer Chiefs fa tsy misy ny olana amin’ny filalaovan’i Dax, amin’ity fihaonana ity, satria efa milamina ny taratasy fifindran-toerany. Miandry izay ho fiakaran’i Dax kianja izany ny mpijerin’i Mahamasina, amin’ity.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.