Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tolotra manokana: avo telo heny ny Telma Net

    Tsy mitsahatra manome fahafaham-po ny mpanjifa ny Telma, indrindra amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Porofon’izany, ny nampitomboina avo telo heny ny tolotra ahazoana internet, amin’ny Telma Net aloa amin’ny MVola. Hitombo ho 6 Go ny tanjaka 2 Go amin’ny famandrihana isam-bolana Telma Net One Month, azo ampiasaina amin’ny karazana Telma Net rehetra. Ao anatin’izany ny Telma Net One Day  (isan’andro), One Week (isan-kerinandro) ary ny One Month (isam-bolana). Mazava ho azy fa miaraka amin’ny tolotra fanampiny (bonus) ihany koa ireo voalaza ireo.

    Tsotra ny ahazoana ity tolotra manokana ity, tsindrina ny #111*1*1#, ary arahina ny toromarika rehetra, arakaraka ny tolotra ilain’ny mpanjifa. Ho an’ireo manana smartphone, azo ampiasaina ny Telma et Moi, amin’ny alalan’ny Playstore.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.