Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nidoboka am-ponja: telo lahy nahatrarana chocolat de cocaïne

Nidoboka am-ponja: telo lahy nahatrarana chocolat de cocaïne

Naiditra am-ponja avy hatrany ireo telo lahy mpanao trafikana cocaïne saron’ny polisy tany Antsiranana ny faram-paran’ny volana novambra lasa teo.

Raha ny tatitra avy amin’ny polisy, niainga avy tamina halatra poketra, ny 23 novambra 2018 tao Tanambao tsena any Antsiranana no nahasamborana jiolahy roa mpivarotra rongony mahery vaika any an-toerana. Rehefa tratran’ny polisy ny jiolahy iray nanao sinto-mahery ny poketran’olona iray dia nanambara fa noho ny tsy fananany vola hividianana rongony no nahatonga azy nanao izao fanendahana poketra izao. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy azy no nanoroany ireo olona mpamatsy rongony azy. Lehilahy roa antsoina hoe Namawi sy Assiata no mpamatsy zava-mahadomelina azy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Nilaza ilay jiolahy mpanao sinto-mahery fa efa ho iray taona izay no namatsian’iretsy roa lahy azy rongony mahery vaika (héroïne) ka amin’ny alalan’ny tsindrona izany na vovoka ihany koa. Tratra tao an-tranon’izy ireo nandritra ny fisamborana nataon’ny polisy ny vovoka heroine 8,200 grama sy vongana cocaïne (chocolat de cocaïne) 49,200 grama. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy ka izao naiditra vonjimaika am-ponja izao.

Fa saron’ny polisin’ny Commissariat Central ao Mahajanga, ny 13 desambra 2018 teo niaraka tamin’ny fatoran-drongony lehibe milanja 10 kg mahery ny raim-pianakaviana iray sy ny vadiny. Voalazan’ny polisy fa niainga avy any Antsohihy, ny alarobia 12 desambra 2018 ireo entana ireo ary hoentina hamidy any Mahajanga. Natolotra ny fampanoavana, ny asabotsy teo, izy mivady ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.