Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: matin’ny lozam-pifamoivoizana ny ben’ny Tanànan’i Mitsinjo

Mahajanga: matin’ny lozam-pifamoivoizana ny ben’ny Tanànan’i Mitsinjo

Maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tao Mahajanga, ny alahady alina lasa teo, ny ben’ny Tanànan’i Mitsinjo, i Vitalahy Adrien. Araka ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny distrikan’i Mitsinjo, Rakotonirina Bruno tamin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny serasera eo anivon’ny faritra Boeny, nitaingina moto niaraka tamin’ny filohan’ny filankevitry ny kaominin’i Mitsinjo izy tamin’io fotoana io ka namantana tamin’ny andrin-jiron’ny Jirama iray ao Mahajanga niaraka tamin’ny moto izy roa lahy. Maty tsy tra-drano, vokatr’izany, ny ben’ny Tanàna, i Vitalahy Adrien. Naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny sampana hery vonjitaitra ao amin’ny hopitalin’Androva kosa ilay filohan’ny filankevitra niaraka taminy. Manambady ary manan-janaka valo ilay niharam-boina ary nitsabo ny zanany izay marary ao Mahajanga izy, kanjo izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Nohamafisin’ireo olona akaiky azy fa ben’ny Tanàna mamy hoditra ao Mitsinjo izy ary tompon’andraikitra amina fikambanana maromaro ao an-toerana. Hiainga, anio, talata ao Mahajanga hihazo an’i Mitsinjo ny razana. Ny lehiben’ny faritra Boeny, i Saïd Ahamad Jaffar miaraka amin’ny prefektioran’i Mahajanga no nandray an-tanana ny fikarakarana ny fampitana ny razana mihazo an’i Mitsinjo.

J.C

Les commentaires sont fermées.