Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: fihavanana ara-pihinanana

Tsy mbola tonga any amin’ny toe-tsaina hoe «maty aho matesa rahavana» ny fitaizana eto amin’ny firaisa-monina, na izany aza nohon’ny fahasahiranana sy ny tsy fahampina matetika tsy efa intsony ny fanampina ny sasany na ny havan’ny tena izao aza. Afaka lazaina fa manahiran-tsaina indraindray ny fiverimberenan’ny fideraderana ny fihavanana voalaza lazaina soatoavina manokana mampiavaka ny Malagasy. Tamin’ny teo aloha angamba izany, raha jerena amin’ny saina tsy miangatra lasa ankehitriny resaka ambava fotsiny mba tsy itenena ho fanaovana fiatsaram-belatsihy no hany sisa tavela. Tsy ny tsy fahafahana ifampitsinjo na amin’ny samy mpianakavy aza no ifanomezan-tsiny fa ny fampiasana ny filazana fihavanana andrakofana ny tsy fahafahana anatrika ny adidy fifamatorana aterak’izany. Na tsy ho lazaina aza fa ny fitiavan-tena no manjaka eo amin’ny fifandraisana anivon’ny firaisa-monina, dia tsy hita ho afenina fa ny fanavota-tena no maharevo voalohany ny tsirairay, ahoana moa no ahafahana itsinjo ny hafa raha ny tena aza mila ho rendriky ny fahasahiranana tsy manam-pitsaharana ? Na safidy na tsia izay ny làlam-pandrosona nidirana sarotra no hiverenan-dàlana, afaka ahiana aza dia hiitatra hatrany ny adidy fitsijovan-tena nohon’ny fitombon’ny filana ateraky ny fikitikitiky ny fanirina an’ireo karazan-javatra vaovao aderadera ary anaovana dokam-barotra akana fanahy ny mpanjifa ahafahana andaoka ny any am-paosiny. Mitarika tsikelikely any amin’ ny fifandaminana ho samy mandeha samy mitady. Tsy manala anefa izany na ny firaisa-pirenena na fizarana ny fiarahamonina anio sy ny fiomanana ny fiatrehana ny ampitso. Mampitombo trotraka ny fahasahiranana anefa dia ny tsy fitovizan’ny fari-piainana eo amin’ny mponina samy hafa eran-tany. Ny fahafahan’ny mponina any amin’ny tany mandroso isitraka an’izao karazan-javatra rehetra izay tsy miafina amin’ny mponina aty amin’ny tany lazaina eo andàlam-pandrosona miteraka fotsiny fitsiriritana tsy taka-tànana ho an’izy ireto ka mitarika adin-tsaina na fijalina mihitsy toy ny fangetahetana ambony lakana.

Misarika fandinihana ho an’izay Filoha lany eo izany, ny tanjona apetraka ho an’ny fandrosona anefa mitaky mialohan’ izany faniriny fitovitovizana amin’ny any ampita dia any amin’ ny fototra no voatery ampiangana azy, maro ireo anivon’ny mponina no mihinana tsy mahavoky tena. Samy manana ny tsy fahampina ny sokajy eto amin’ny fiarahamonina, tsy maintsy homena lahara-pahamehana ny fomba ahafahan’ny mahia hahazo nofo na tsy maintsy ampy tosika koa ireo mitari-dàlana na momban’ny fahaizana na mikasika ny fikaratahana.

Léo Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.