Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Farimbon-tsendikà Jirama: mitohy ny tolona

Araka ny efa nitaterana azy teto, tsy nahitam-bokany ny fihaonana teo amin’ny farimbon-tsendikaly Jirama sy ny ao amin’ny fitantanana foibe ny orinasa, ny zoma 14 desambra teo. Nanapa-kevitra ny mpitarika ao amin’ny Farimbon-tsendikaly, miantso ny mpiasa rehetra any amin’ny faritra, hanohy ny tolona, hiarovana ny zon’ny mpiasa. Ho azy ireo, mahatonga izany fanapahan-kevitra izany ny “fizirizirian’ny mpitantana amin’ny tsy fanarahan-dalàna, toy ny fandroahana mpiasa maro tsy ara-drariny sy ny fanitsakitsahana ny fitsipiky anatiny amin’ny fampiharana ny ambaratongan-tsazy”.

Manamarika ny Farimbon-tsendikaly fa tsy misy ambadika politika na mifandraika amin’izay ho voka-pifididianana velively ny ataon’izy ireo fa tena tolona sendikaly madiodio ary tsy tokony hararaotin’ny mpanao politika ihany koa.

Randria

Les commentaires sont fermées.