Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bad sy ny UE: ho vitaina Toliara-Morombe sy Vangaindrano-Taolagnaro

Bad sy ny UE: ho vitaina Toliara-Morombe sy Vangaindrano-Taolagnaro

Tsy misy na efa antitra loatra, lany andro ny fotodrafitrasa maro eto amintsika. Voakasika amin’izany ny  faritra atsimo rehetra. Koa natao sonia, omaly, teo amin’ny Bad miaraka amin‘ny UE sy ny fanjakana malagasy ny famatsiam-bola hamahana ny olana.

« Sakana ho an’ny fampandrosoana eto Madagasikara ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa matanjaka tsy hahafahany mifandray ara-barotra amin’ireo firenena aty amin’ny faritra Afrika sy ny ranomasimbe Indianina », hoy ny solontenan’ny Bad, i Mohamed Cherif.  Izay no nahatonga ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) sy ny Vondrona eoropeanina (UE) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa, hanampy an’i Madagasikara hanamboatra ny lalana RN9, Toliara–Morombe, ampahany faharoa (efa vita ny ampahany voalohany Toliara-Analamisampy, 107 km), sy RNT12A, Vangaindrano-Taolagnaro.

156 tapitrisa dolara ny fitambaran’ireo famatsiam-bola ireo  ka vita sonia, omaly ny 87 tapitrisa dolara mahery kely avy amin‘ny Vondrona Bad (Fad sy Fat)* fa ny ambiny avy amin’ny UE, fanomezana, efa nankatoavina. Tafiditra amin’io famatsiam-bola io ny fanamoràna ny asan’ny fadintseranana noho ny fisian’ny seranan-tsambo lehibe any Toliara sy Taolagnaro ; manafaingana ny asan’ireo mpandraharaha eo amin’ny fifanakalozana aty amin’ny faritra ranomasimbe Indianina sy Afrika Atsinanana.

Fepetra ny tsy hisian’ny krizy politika

« Fanavaozana tanteraka ny fotodrafitrasa izany izao famatsiam-bola izao, fifanarahana amin’ny fanjakana malagasy fa tsy amin’ny mpitondra vaovao izay ho avy eo. Ny hany fepetra tokana ny tsy hisian’ny krizy politika aorian’izao fifidianana izao », hoy ny ambasadaoron’ny UE, i Giovanni Di Girolamo. Tsara ho fantatry ny mpanao politika izany ho fampandrosoana ny toekarena any atsimo miainga avy amin’ny fahavitan’ireo lalam-pirenena roa ireo, toy ny fananganana orinasa madinika amin’ny sehatry ny fambolena sy ny jono ; ny varotra ary ny fizahantany.

Tohanana avy amin’izany tetikasa izany koa ny fanafarana sy fanondranana entana. Manomboka amin’ny 2019 hatramin’ny 2024 ny famatsiam-bola, tokony hahitana orinasa madinika sy salantsalany 300, hanome asa 5 000, ka ny 50 % vehivavy, raha ny fanadihadiana nataon’ireo mpamatsy vola. Hampiana ny Antenimieran’ny varotra any amin’ny faritra miasa ho an’ny lalam-pihariana kafe, lavanila, letisia, vary, mangahazo, omby.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.