Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amoron’i Mania: nantomboka ny « Tetikasa niomerika »

Amoron’i Mania: nantomboka ny « Tetikasa niomerika »

Taorian’ny tany Bongolava, natomboka, ny 14 desambra teo koa, ny « Tetikasa niomerika » any amin’ny faritra Amoron’i Mania, sahanin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny niomerika (MPTDN). Nisantarana azy ny ao Ambositra ary hitohy any Kianja Andrakefina, Ilaka Afovoany, Fahizay, Tsarasaotra, Andina ary Marosoa. Nomen’ny MPTDN fitaovana informatika ireo kaominina ireo, miampy kojakoja amin’ny birao ary nofanina koa ny mpiasa hifehy azy ireo.

Anisan’ny hampiasaina ireto fitaovana informatika ireto ny firaketana an-tsoratra ny antontan-taratasy mikasika ny sora-piankohonana sy ny manodidina azy rehetra satria natao tanana hatramin’izay, ary maro ny taratasy simba na rovitra na very. Nilaza ny solontenan’ny minisitry ny MPTDN, fa « tanjona ny hialana amin’ny fampiasana ny taratasy sy hanatsarana ny tahirin-kevitra mikasika ny firaketam-piankohonana. Eo koa ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fampandehanan-draharaha eny amin’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny, ahafahan’ny vahoaka rehetra misitraka ny tombontsoa entin’ny niomerika.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.