Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“57° Brevet du 1°degre”: zandary miisa 1 478 hiatrika fifaninanana

“57° Brevet du 1°degre”: zandary miisa 1 478 hiatrika fifaninanana

Miisa 1 478 ireo zandary niatrika ny fifaninanana fihodinana voalohany hanaraka ny fiofanana “57° brevet du 1°degre”. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo izany ka mitsinjara tamina ivontoeram-panadinana miisa valo manerana ny renivohi-paritany enina sy ny sekolin’ny zandarimariam-pirenana ao Ambositra sy Moramanga. Taranja miisa 05 no hiadinan’izy ireo amin’izany dia ny: 1) Service intérieur de la gendarmerie (décret 69.232);  2) le décret sur le service de la gendarmerie (décret 63;253) ; 3) le code de conduite du personnel de la gendarmerie; 4) les règlements des services; 5) sport: 100m + 08 km avec charges de 10kgs. Hiditra any amin’ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenena any Moramanga ny 13 janoary 2019 ho avy izao ireo izay ho afaka amin’izao fihodinana voalohany izao (30% avy isaky  ny ivotoeram-panadinana) ka mbola hifanintsana amin’ny taranja roa hafa indray izy ireo rehefa any :          1) connaissances sur la gendarmerie territoriale; 2) connaissance sur la gendarmerie mobile. Miisa 80 no ho voaray amin’ny farany ka vehivavy ny valo amin’izany ary hanaraka ny fiofanana mandritra ny sivy volana izy ireo. Ho lehiben’ireo “poste avancé”, na lefitr’ireo Komandin’ny borigady”, ary hanana ny andraikitra Officier de police judiciaire izy ireo aorian’izany amin’ny fiofanana amin’ny asan’ny maha “grade” azy ireo, raha ho “chef de groupe de combat” sy “ lefitry ny komandin’ny “peloton” kosa izy ireo amin’ny fiofanana ara-miaramila harahany ao amin’ny sekoly. Ny galonan’ny Zandary prinsipaly kilasy faharoa na GP2 no hosaloran’izy ireo rehefa mivoaka ny sekoly.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.