Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kihon-dalana farany ho an’ny mpifidy: hifanatrika farany ao amin’ny TVM/RNM Ravalo sy Rajoelina

Kihon-dalana farany ho an’ny mpifidy: hifanatrika farany ao amin’ny TVM/RNM Ravalo sy Rajoelina

 

 Hiverina hifanatrika ao amin’ny TVM/RNM, rahampitso alina ny kandidà Ravalomanana sy Rajelina. Anisan’ny hitsaran’ny mpifidy azy ny heviny sy ny vina ary koa ny fihetsika sy fomba fiteny mandritra izany. Nitondra fanazavana mialoha izany yn Ceni.

Ferana mazava ireo lahadinika hiadian’ny kandidà roa hevitra. Voalohany ny amin’ny tetikasa sy ny vinam-piarahamonina hitondrany ny firenena. Manaraka ny lafiny politika: hanao ahoana ny ho firafitry ny governemanta rehefa voafidy? Ahoana ny fampiharana sy ny fampiasana ny fahefam-panjakana eo an-tanana? Ahoana ny amin’ireo Nosy malagasy manodidina?” hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly. Hifanatrika farany Rajoelina Andry sy Ravalomanana  Marc, ao amin’ny TVM sy RNM, rahampitso.

Anisan’ny hiadian’ny kandidà roa hevitra ny ady amin’ny fahantrana, ny ady amin’ny kolikoly. Ny amin’ny fampihavanam-pirenena. Eo koa ny amin’ny tsy fampifangaroan’ny mpitondra ny lafiny fivavahana sy ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Eo amin’ny toekarena: ahoana ny politika momba ny vola, ny politika momba ny fananan-tany? Manao ahoana ny lafiny fambolena sy ny fiompiana, ny asa… ? Ny sosialy sy fiarahamonina: ahoana ny lafiny fanabeazana, ny amin’ny miralenta eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanambadian’ny mitovy fananahana…?

Miisa 27 avy ireo mpomba ny kandidà isanisany afa-manatrika ny fifanatrehana farany.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.