Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fimpima: hivory voalohany ny antenimiera foibe

Fimpima: hivory voalohany ny antenimiera foibe

 

Taorian’ny « Zaikabe » sady fifidianana hitondra ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima maneran-tany) notontosaina tany Antsiranana, farany teo, hotanterahina anio ny fivorian’ny antenimiera foibe, voalohany, ho an’ity fikambanana ity. Fivoriana ahitana ny filohan’ny foibe, ny filoham-paritany ary ireo filohan-tsampana Fimpima maneran-tany. Handray anjara ihany koa ny birao foibe notendrena ary ny mpanolotsaina voafidy isam-paritra.

Mandritra ito fivoriana hotanterahina eny amin’ny Haitsiron’Iarivo Alarobia ity no hanaovana ny tatitra isam-paritany. Tatitra ataon’ny foibe, hanolorana ireo tetikasa taona 2019. Ao ihany koa ny fampahafantarana ireo vinavina tetiandro ho an’ny isam-paritra ary ny fandinihana ny fomba fiasa anaty sy ny tarazo.

Teny faneva ao anatin’izao fivoriana voalohan’ny antenimera foibe ho an’ny Fimpima maneran-tany izao ny « Hifarimbona isika, handroso, hanatsara ». Marihina fa hahafehy ny taom-piasana 2018 ka hatramin’ny taona 2022 ny ho tinapaka mandritra ny fivoriana anio. Ho an’ny filohan’ny foibe Fimpima maneran-tany, anisan’ny vaindohan-draharaha ny fanampiana ireo faritany na sampana Fimpima somary tratra aoriana raha oharina amin’ny hafa. Omena lanja kokoa, ohatra, ny fanofanana sy ny fifanakalozana, hoenti-manarina izay lesoka izay.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.