Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiarahamonim-pirenena: ezahina hatsaraina ny sosialim-bahoaka

Fiarahamonim-pirenena: ezahina hatsaraina ny sosialim-bahoaka

 

 « Vonona ny hampandroso sy hanatsara ny sosialim-bahoaka amin’ny lafiny rehetra izahay. Efa misy ireo fandaharanasa maty paika iarahanay miasa amin’ny kaominina, toy ny amin’ny kaominina Ampanotokana Mahitsy, Behenjy, Miarinarivo ary Anjiro Moramanga amin’ny hametrahana tsena. Tanjona napetrakay hatramin’izay ny politika fampandrosoana miainga eny anivon’ny fiarahamonina », hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, momba ny sosialim-bahoaka izay miara-miasa ao tahirim-pirenena ho an’ny tanora (FJN). Hisy koa ny fametrahana toeram-piantsonana goavana hametrahana kamiaobe eny amin’ny RN 2. Nahitsy ny fanazavan’ity mpikambana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena ity fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny fanjakana izay mijoro izy ireo satria miainga eny ifotony mihitsy ny fampandrosoana. Maro ireo teknisianina eo anivon’ny FJN ary nilaza hatrany izy ireo fa tsy manao politika fa manao politika fampandrosoana. “Ny anay ny firenena no tena tohananay ary mijery ny firenena tsy ho simba izahay”, hoy hatrany ny FJN.

J.C

Les commentaires sont fermées.