Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EPP Faravohitra: nanolotra fanampiana 2 tapitrisa mahery ny kaonsilin’i Monaco 

EPP Faravohitra: nanolotra fanampiana 2 tapitrisa mahery ny kaonsilin’i Monaco 

 

 Mitohy ny fanohanan’ny consulat de Monaco ny EPP Faravohitra, amin’ity taom-pianarana vaovao ity. Nanolotra taratasim-bola mitentina  2 450 000 Ar indray ny vice consul de Monaco, Rabemanolontsoa Niry Harivelo, afakomaly teny an-toerana. Entina hanamavainana ny latsakemboka 15 000 Ar isaky ny ray aman-dreny aloa amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana sy hividinana sakafo ny fanampiana izany, araka ny fanazavana azo. Nanomboka ny taona 2011 no ho mankaty, mahatratra 49 476 000 Ar ny sora-bola nanohanan’ny  consulat de Monaco ny EPP Faravohitra. Nohavaozina avokoa ny fotodrafitrasa hatramin’ny loko, ny tafo sy ny valin-drihana, nohatsaraina ny toeram-pivoahana ary azo ambara fa maodely ity EPP ity amin’ny hatsaran’ny efitrano fandraisana ireo mpianatra. Anisan’ny nampahafantarina, omaly, koa ny fahavitan’ny fandokoana ny atiny sy ny ivelan’ny efitrano sy ny sekoly iray manontolo, vaovao rahateo ny latabatra sy ny seza ka vonona hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny mpianatra 104.

« Enina ny mpanabe mampihodina ny kilasy 11ème hatramin’ny 7ème izay efa mpiasam-panjakana avokoa », hoy ny talen’ny EPP, Raharimanana Céline.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.