Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa lasa ny zavatra taloha…  

Efa lasa ny zavatra taloha…  

Mafanafana ny fampielezan-kevitra amin’izao. Misy ny kivy sy mitsara ambony ihany: tsy hisy, hono, izay fiovana sy fanovana fa ny efa teo ihany no ho eo. Efa samy teo amin’ny fitondrana ireo kandidà roa mpifanandrina, samy manana ny asany sy ny fomba fiasany. Samy manana ny lesona amin’izay lesoka amin’izany?

Nefa ny ela, manova zavatra; ary lanja miakatra ny fiainana. Aleo joko miha solanga toy izay solanga miha joko. Na lazaina hoe mitsara aza ny tantara, tsy ny lasa sy ny tantara no tsaraina amin’izao fifidianana izao fa ny fandaharanasan’ireo mpirotsa-kofidina tsirairay avy: azo tanterahina, azo antoka sy inoana fa hotanterahiny… ?

Na ahoana na ahoana, na toy inona fitodihana sy fitsarana ny lasan’izy ireo avy: tsy maintsy ny iray amin’izy ireo no ho filoha hitondra ny tany sy ny fanjakana. Eny, na toy inona ho isam-bato eo… Tsy maintsy misafidy ny tena; eny, na handrotsaka vato fotsy aza: hanao ny mpitondra hoe zara fa voafidy na tsy marin-toerana?

Raha izany tokoa, sanatria, no hitranga, fa ny hamisavisana ny ratsy, mba hiavian’ny soa: ho inona indray ny hanjo ny vahoaka mbamin’ny firenena, raha zara fa voafidy ny mpitondra? Tsy fanaovana andranandrana sy kitsapatsapa ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Mila misafidy sy mahay misafidy ny tsirairay amin’izao.

Tsy vitan’izany, raha tsy vonon-kanova ny tantara ny tena fa mpanaraka ambokony izay mitranga rehetra, ovain’ny tantara sy ny zava-misy ho azy hanaraka ambokony lava eny: manaiky lembenana, na be taraina, na fatra-pitsikera… Inona ny hatao? Fotoana izao amin’izay safidin’ny tena fa efa lasa ny zavatra taloha.

Raha misy mitady fiovana sy fanovana, efa hita hoe misy fiovana sy fanovana ve, ohatra, eo amin’ireo mpirotsa-kofidina? Na amin’ny fihetsika sy fiteny, na fomba fiasa, na fahasahiana, na fahavononana, na fandaharanasa… Mila miova sy manova koa ny tsirairay amin’ny fanaraha-maso sy ny fitakiana tamberin’andraikitra.

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.