Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – “CCCOI”: nakotroka ny fandraisana ny CosPN

Basikety – “CCCOI”: nakotroka ny fandraisana ny CosPN

 

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly tamin’ny 1 ora sy 30 mn maraina, ny ekipan’ny polisim-pirenena, ny CosPN, rehefa avy niady ny amboaran’ny CCCOI, tany Seychelles, ka nibata ny fandresena.

Nakotrokotroka ny fandraisana ny ekipa tompondaka malagasy, teto an-dRenivohitra, rehefa namakivaky an’Antananarivo ireo mpilalao sy ny mpiara-miombona antoka amin’izy ireo, niainga teny Ivato, nankeny amin’ny tobin’ny Fip eny Antanimora. Nankasitraka ny ezaka nataon’ity ekipa malagasy ity avokoa izay nolalovana rehetra. Nitohy teny Antanimora avy eo ny fiarahabana ny CosPN tamin’ny alalan’ny fizarana mari-pankasitrahana sy fanomezana avy amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny federasiona malagasy ny basikety ary ireo mpiara-miombona antoka rehetra. Tamin’izany indrindra no nanoloran’ny ministry ny Filaminam-bahoaka, ny inspeketera jeneraly ny Polisy, i Erick Michel Wouli Soumah Idrissa, ny lelavola 10 tapitrisa ariary, omby miisa 2, ary fitsangantsanganana any Nosy Be Hell Ville ho an’ireo mpilalao eo anivon’ny Polisim-pirenena ireto. Nanamafy ny minisitra fa mbola mafy ny ady miandry ny ekipan’ny CosPN ka mila fanohanana hatrany. “Mitohy ny dingana ho an’ny CosPN ary tsy hikely soroka amin’ny fanohanana ity ekipa ity ny minisitera”, hoy ny fampanantenana nataon’ny minisitra. Nampiseho izay fahavononana izay ihany koa ireo mpilalao ary vonona sahady amin’ny fanomanana ny “Afroleague” hotanterahina ny volana febroary 2019 izao. Mafy io lalao io kanefa hiady mafy ny CosPN, raha ny fanazavana nentin’ireo mpilalao.

Tetsy andaniny, tsy nijery fotsiny ny feserasiona malagasy, tarihin’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, fa nanolotra lelavola 3 tapitrisa ariary ho an’ny CosPN ho fankasitrahana ny ezaka vitany.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.