Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambodin’Isotry: napetraka ny fantsona ikorianan’ny rano

Ambodin’Isotry: napetraka ny fantsona ikorianan’ny rano

 

Hahafahana manatanteraka am-pilaminana ny tetikasa fanadiovana an’Antananarivo (PIAA), tonga teny amin’ny Aigle Noir Ambodin’Isotry, boriborintany I, tamin’ity herinandro ity,  ireo mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra hanisaka sy hamindra ny toeran’ireo mpivarotra manamorona iny toerana iny. Tetikasa fanadiovana an’Antananarivo mba ho fisorohana ny tondradrano matetika eny amin’ireo faritra iva ny tanjona. Hisy, araka izany, ny fametrahana fantsona lehibe any ambanin’ny tany hahafahan’ny rano maloto mivarina any anatin’ireo lakandrano. Izay indrindra no tsy maintsy hanisahana sy hamindrana toerana vonjimaika ireo mpivarotra ireo. “Nizotra am-pilaminana ny asa fandaminana ireto mpivarotra ireto”, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny tsena.

Manentana ny mpivarotra ny kaominina hitandro fatratra ny fotodrafitrasa sy ny fahadiovana, hisorohana ny fiakaran’ny rano, amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.