Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Volana janoary manontolo: hitety an’i Eoropa i Big MJ

    Volana janoary manontolo: hitety an’i Eoropa i Big MJ

    Mpanakanto diso fantatry ny maro amin’ny sehatry ny mozika mafana i Big MJ. Azo lazaina fa manana ny lazany eto amintsika sy any ivelany ity mpanakanto fantatra loatra amin’ny mozika mafana ity.

    Voalaza, nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny mpiandraikitra azy (manager), fa hanatanteraka seho an-tsehatra maro any amin’ny faritr’i Eoropa i Big MJ amin’ny fiandohan’ny taona, izany hoe, mandritra ny volana janoary iray manontolo. Mialoha izany, tsy vitsy ireo seho hataony eto an-tanindrazana ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy amin’izao ankatoky ny fety izao. Fa isan’ny hanamarika izao fivoahany izao ihany koa ny fampisehoana ao Marseille, 15 desambra 2018, sy ny ao Belzika, ny alakamisy 27 desambra, ary ny alin’ny 31 desambra kosa, ao Paris ny hamarana sy hitsena ny taona vaovao i Big MJ. Nambaran’ity tomponandrakitr’i Big MJ ity fa intelo isa-taona no mivoaka manao fampisehoana  any ivelany izy ary teo amin’ny dimy taona teo izay, efa nanafana lanonana famaranana ny taona tao an-dRenivohitr’i Frantsa hatrany izy ireo. Ankoatra ireo seho an-tsehatra maro voalaza ireo, efa eo am-piketriketrehana ny rakikirany fahadimy i Big MJ. Eo ihany koa ny fanomanana ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroan’ny BJ Label misy azy. Hisy, noho izany, seho goavana hataon’izy ireo hanamarihana io fotoan-dehibe io. Tsara ny mampahafantatra fa hivoaka tsy ho ela ny rakitsary vaovao be, fampiaraham-peo eo amin’i Big MJ sy i Black Nadia. Vokatra vaovao andrasan’ny mpankafy izany, indrindra amin’izao ankatoky ny faran’ny taona sy ho fitsenana ny taona vaovao izao.

    Landy R.

     

     

    Les commentaires sont fermées.