Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toby Ratsimandrava: fanaovam-belona ireo zandary lavon’ny dahalo

Tontosa teny amin’ny Toby Jly Richard Ratsimandrava Andrefanambohijanahary ny lanonana ara-miaramila nanaovam-beloma ho fanomezam-boninahitra farany ny GHC Razafimanjaka Tsilefy Velondraza sy ny G1C Ravalosoa Lovatiana Marcellin, lavo teo am-pamitana ny andraikiny amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany tany Maintirano, ny 12 desambra 2018 lasa teo. Nitarika ny lanonana ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Randriamanarina Jean Christophe. Nizara roa ny fandaharam-potoana ka nanombohana azy ny fanondrotana ny laharam-boninahitr’izy mirahalahy ireo ka nakarina ho Gendarme hors classe ny G1C Razafimanjaka Tsilefy ary nasondrotra ho G1C kosa ny G2C Ravalosoa Lovatiana. Ny lanonana faharoa kosa, fanomezam-boninahitra sy fitanisana ampahibemaso ny asa vitan’izy ireo sy ny tantaram-piainany narahina fanaovam-beloma handry am-piadanana narahina anjomara. Tsy hadino ny fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’izy roa lahy.

J.C

 

 

Les commentaires sont fermées.