Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tantara: « Ny mpilalao no fantatra »

Tia mihaino tantara ny Malagasy. Efa zary raiki-tampisaka amin’ny kolontsainy mihitsy aza izany satria saika fifampizarana tantara na fitantarana ihany koa ny fiainan’ny Malagasy rehefa mihaona… Rehefa nisy ny tantara fandefa amin’ny onjampeo, nahasarika avy hatrany ny sofin’ny Malagasy izy ireny. « Hatreto anefa, saika ny mpilalao ireny tantara fandefa amin’ny radio ireny hatrany no fantatra sy misongadina manoloana ny mpihaino fa ny mpanoratra, takona sy maivana eo anatrehan’izy ireo », hoy i Meva Rakotonjanahary, mpilalao tantara amina radio.

« Manamafy izany ny vidin’ny tantara iray. Tena mora tokoa ! », hoy hatrany izy. Raha ny fanazavany hatrany, sao sanatria hitarika any amin’ny tantara zara fa vita ny tranga tahaka io. Tsy ho tazana intsony ny maha haisoratra azy. Ho very ny kanto sy ny hafatra tiany hampitaina, sns. « Aza hadinoina anefa fa azo itarafana zavatra maro ny fivoahana tantara iray. Anisan’izany, ohatra, ny zava-misy iainana eny amin’ny fiarahamonina ao anatina vanim-potoana iray », hoy i Meva.

… Anisan’ny mitondra fanabeazana lehibe ho an’ny olona maheno azy ny tantara raha toa ka mikendry izany marina ny mpanoratra. Mety hiteraka fiovana goavana eo anivon’ny fiainam-piarahamonina na fiainam-pirenena ny fahenoana azy ireny. Manaporofo hatrany izany fa mila omena lanja ny mpanoratra tantara fandefa amin’ny onjampeo satria mety hahakitika ny hambompo (olona tokana, olona marobe, vahoaka manontolo) ny diam-penin’izy ireny.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.