Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“One Beat Program”: nosantarin’i Tsanta R. ny “E-Show”

Hetsika vaovao an’ny ambasady amerikanina ny “E-Show”. Isan’ny nisantatra izany voalohany  i Tsanta Randriamihajasoa, mpanakanto – mpitendry sy mpihira – Malagasy voalohany voafantina sy nandray anjara tamin’ny “Programa kolontsaina tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina” na ny “One Beat Program” ho an’ny taona 2018.

Efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ny “One Beat Program”, ho an’ny taona 2019, ka fe-potoana fandefasana ny antontan-taratasy mifanaraka amin’izany ny 21 desambra ho avy izao amin’ny alalan’ity rohy ity: https://apply.1beat.org/.

Hotanterahina indray mandeha isam-bolana kosa ny “Embassy Show” na “E-Show”. Tanjona amin’izao hetsika izao ny fanamafisana ny fifandraisana sy fifanakalozana kolontsaina eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara sady  koa ho fanomezana sehatra ireo mpanan-talenta malagasy sy amerikanina. Maneho fampiainana mivantana ny hetsika miainga eny amin’ny ambasady amerikanina Andranomena ny antsoina hoe “E-Show” ary miparitaka amin’ireo American Corner eny Tanjombato, any Mahajanga ary any Taolagnaro.

Araka izany, inoana fa ho maro ireo Malagasy na vahiny handray anjara amin’ny karazana hetsika toy itony hampiroboroboana ihany koa ny kolontsaina malagasy.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.