Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nampitandrina ny filohan’ny HCC: “Tsy tokony hisy ny filazana zava-tsy marina”

    Nampitandrina ny filohan’ny HCC: “Tsy tokony hisy ny filazana zava-tsy marina”

    “Ny tsara marihina, tena voapetraky ny lalàna hoe: tsy tokony hisy ny fihantsiana, ny manala baraka olona, ny manompa, ny milaza zava-tsy marina na manaparitaka lainga… Ny hoe fampielezan-kevitra, mazava be amin’ny teny malagasy: hevitra no aely sy andresen-dahatra olona fa tsy mila mifanenjika hoe mifampitifitra na ny toy izany.”

    Io ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Ankatso, omaly, momba ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana faharoa izao.

    “Tokony hisy fitoniana: mifanaja ireo kandidà roa sy ireo mpomba azy. Mba aleo handeha amim-pilaminana ny fampielezan-kevitra”, hoy izy.

    Hohafainganina ny voka-pifidianana

    Ampirisihin’ny HCC ny hizaran’ny Ceni ireo kara-pifidianana be dia be tsy voazara. Ezaka atao koa ny hanafainganana, araka izay azo atao, ny famoahana ny valim-pifidianana. Misy fiaraha-miasa ihany ny amin’izany. Miankina amin’ny fahazoana ny fitanana an-tsoratra (PV) sy ny fonosana mirakitra antontan-taratasim-pifidianana ny hamoahana haingana na tsia ny valim-pifidianana.

    Misy fepetra noraisina eo anivon’ny HCC, araka izay tratra, amin’ny famoahana ny valim-pifidianana. Amin’ny ankapobeny, tokony ho haingana kokoa izay. Kandidà roa sisa no jerena. Tamin’ny fihodinana voalohany, nandany andro be ny fijerena ny vaton’ireo kandidà nahazo 0,..%.

    Hisintonana lesona ny fihodinana voalohany

    Ny hisintona lesona tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany no tena jerena izao, araka ny nambarany. Nisy ny fihaonana niaraka tamin’ny Ceni, raha vao vita ny fihodinana voalohany: ahoana ny fomba hanatsarana ny fifidianana, indrindra ny fanentanana ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato mba handray andraikitra sy hanao tsara ny asany? Anjaran’ny Ceni izay. Hita fa nisy lesona ihany ny amin’izany, ary lasa manahirana aty amin’ny farany.

    R.Nd.

    Les commentaires sont fermées.