Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga: kaomisera « central » notifirin’ny jiolahy teo amin’ny kibony

Mahajanga: kaomisera « central » notifirin’ny jiolahy teo amin’ny kibony

Notafihin’ny jiolahy tsy fantatra isa ny kaomisera « central » an’i Mahajanga, efa misotro  ronono, tany amin’ny fokontany Antanambao Ambalavato, ny alarobia alina teo tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany.

Voatifitra teo amin’ny kibony izy io kanefa mbola nahavita nitondra ny fiarany namonjy hopitaly tany Androva. Nahazo ny fitsaboana azy ilay kaomisera ary mbola manaraka fikarakarana hatramin’izao.

Voalazan’ny zandary fa vola mitentina 40 tapitrisa Ar ny voaroban’ireo jiolahy tamin’izany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, ary volaza fa ny polisy ny nandray an-tanana ny raharaha.

Araka ny vaovao azo ihany, manana toeram-pivarotana lehibe ao amin’ity fokontany Antanambao Ambalavato ity ilay kaomisera io. “Sady manana “bar” izy no manana fivarotana ambongadiny lehibe. Izy handeha hody iny no notafihin’ireo jiolahy nirongo basy ary nitifitra ireo ka nahavoa azy”, hoy ny fitantarana.

Tsy mbola nisy aloha ny olona tratra hatramin’ny omaly. Efa manao izay ho afany ny mpitandro filaminana mitady vaovao momba ireo jiolahy.

Sahy manafika polisy

Maneho ity tranga ity fa tsy mifidy tafihina ny jiolahy. Hatramin’ny kaomiseran’ny polisy ity ataon’ny jiolahy mahita faisana ity. Anatin’ny fanadihadiana ny polisy amin’izao. Fanafihan-jiolahy tsotra sa misy antony manokana?

Santionany amin’ny firongatry ny asan-jiolahy ihany ity tranga ity. Mahazo vahana izany amin’izao ankatoky ny fety izao. Ny kidnapping mamely, ny fanafihana olon-tsotra efa isan’andro, ity mpitandro filaminana mahita faisana. Aiza ihany ny iafaran’ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny tanàna?

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.