Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any Eoropa – “Ligue des champions”: fantatra ireo 16 hiatrika ny ampahavalon-dalana

Kitra any Eoropa – “Ligue des champions”: fantatra ireo 16 hiatrika ny ampahavalon-dalana

Tapitra, ny alarobia lasa teo, ny andro fahenina farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”, taranja baolina kitra.

Fantatra avokoa ireo ekipa 16 hiatrika ny dingana ampahavalon-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions’, taranja baolina kitra. Saika tafita amin’izany avokoa ireo klioba goavana rehetra. Anisan’ny manana betsaka amin’izany ny Anglisy, nahatafita ekipa efatra: ny Manchester United, ny Manchester City, ny Tottenham ary ny Liverpool. Telo kosa ny an’i Espaina: ny Real Madrid sy ny FC Barcelone ary ny Atletico Madrid.

Tsiahivina fa hotontosaina ny alatsinainy 17 desambra ho avy izao, ao amin’ny foibe toeran’ny UEFA, ao Syon, ny antsapaka hahalalana izay hifandona, amin’ity dingana ity.

Raha tsiahivina kosa ny voka-dalao teo amin’ity andro farany ity, anisan’ny nisongadina ny nandresen’ny CSKA Moskou ny Real de Madrid, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0, tao amin’ny kianja filalaovany ao Bernabeu. Teo koa ny faharesen’ny AS Roma, tamin’ny isa 2 no ho 1, nanoloana ny Viktoria Plzen. Tojo faharesena toy izany koa ny Manchester United, niondrika teo anatrehan’ny Valence, tamin’ny isa 2 no ho 1, ary mbola tamin’io isa io ihany koa ny nandavoan’ny BSC Young Boys ny Juventus de Turin. Na resy aza ireo ekipa goavana ireo, samy mbola manohy ny diany satria efa nahazo tombonisa ambony, teo amin’ireo lalao efa vitany ka nitazomany ny laharana roa voalohany isam-bondrona.

 

Tompondaka

 

 

Ireo klioba 16 tafakatra :

Juventus ; Manchester United ; Real Madrid ; AS Roma ; Manchester City ; Bayern Munich ; Ajax ; FC Barcelone ; Atletico Madrid ; Dortmund ; FC Porto ; Schalke 04 ; Tottenham ; PSG ; Liverpool ; Lyon.

Les commentaires sont fermées.