Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate Do Mahajanga: banjinina ny taom-pilalaovana 2019

Toy ny fanao isan-taona, namarana ny taom-pikatrohana 2018 ny hetsika antsoina hoe “Wakama Events”. Andiany faharoa ny amin’ity taona ity ary ao anatin’ny faharoa taon’ny Wakama ihany koa. Nizara telo lehibe ny fankalazana izany, ny asabotsy 8 desambra lasa teo, tao amin’ny Maison des Jeunes Barday. Voalohany amin’izany ny fanadinana fifindrana grady ho an’ny mpikatroka miisa 25. Teo ihany koa ny fifaninanana “Kumite” nandraisan’ny mpikatroka 10 efa voafantina anjara ary ny fampisehoana “Kata” isaky ny ekipa ny fizarana fahatelo farany tamin’ny hetsika. Ireo rehetra ireo, samy notarihin’ny tale teknika, ny sensei Randriamahazo Dinasoa Angelo avokoa. Samy nahazo fankasitrahana ireo mendrika tamin’ity fifaninanana ity.

Tanjona tamin’ity hetsika ity ny fampiakarana ny haavo teknikan’ny mpikatroka, raha ny nambaran’ny filohan’ny Wado Ryu ao Mahajanga, Rakotonirina Hery André. Ankoatra ny fanazarana ireo mpikatroka amin’ny hetsika toy izao, eo koa ny hampitomboana ny fampiofanana isan-karazany amin’ny taona ho avy hahafahana mampivoatra ny traikefan’ny mpikatroka. Efa mihamaro rahateo ny mpikambana eo anivon’ny klioba ka mila mitombo miaraka amin’izay ihany koa ny lentan’ny tsirairay, raha ny fanazavana hatrany. Tafakatra 70 ankehitriny ireo mpikatroka, raha toa ka 10 izany tany am-piandohana.

 

Mi.Raz

 

Voka-dalao “Wakama Events”

Niakatra grady:

-Rakotonirina Nathanael

-Meignant Jean de Dieu

-Randriamahazo Andriatsilavo

-Virene Het

-Randriambeloson Mickael

-Rabariniaina Anelka

-Raharison Fanomezantsoa

-Randriarimalala Finoana

Mendrika “Kata”:

-Randriamahazo Andriantsilavo

– Meignant Jean de Dieu

– Rakotonirina Nathanael

Mendrika “Kumite”:

-Randriambeloson Mamitiana

-Rakotoarison Safidiniaina

-Razafindrainibe Fitahiana

-Rabariniaina Anelka

-Virene Het

Les commentaires sont fermées.