Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Foulpointe: nijoalajoala ny afo, trano miisa 92 indray kila forehitra

Foulpointe: nijoalajoala ny afo, trano miisa 92 indray kila forehitra

Trano miisa 92 tafo indray kila hotohoton’ny afo tany Foulpointe, distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Fianakaviana miisa 148 no mipetraka amin’ireto trano kilan’ny afo ireto…

Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo nandritra ny fahamaizan’ireo trano marobe ireo. Miisa 331 ireo olona tsy manan-kialofana tamin’ity loza ity. Raha ny fampitam-baovao voaray avy an-toerana, tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana fa ny afo efa nirehitra no nahataitra ireo olona eo an-tanàna. Efa teo am-piomanomanana ny handeha hiasa sy hianatra ary hanokatra tsena ny ankamaroan’ireto fianakaviana traboina ireto no nitranga tampoka ny loza. Raikitra ny fifanjevoana tamin’ny fotoana nitrangan’ny firehetana, samy nanao izay ho afany tamin’ny famoahana ny entany ireo fianakaviana niharam-boina. Fantatra, araka ny fampitam-baovao voaray hatrany, fa nisy olona enina naratra nandritra ny fikoropahana tamin’ny famoahana ny entana tao anaty afo. Naharitra teo amin’ny adiny roa teo ho eo ny famonoana ny afo. Nalaky ny fiitarany satria trano falafa avokoa ny ankamaroan’ireo trano nirehitra ka izany nampiitatra haingana ny afo izany. Tsy nisy noraisina intsony ny ankamaroan’ireo entana tao an-trano fa lasa lavenona. Ny akanjo teny an-koditra aza sisa ny an’ireo fianakaviana sasany. Nalaky tonga ny fahatongavan’ny mpamonjy voina nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo. Tonga teny an-toerana koa ny tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana niaraka tamin’ny zandary sy polisy nanao fanadihadiana momba ity fahamaizana goavana ity. Raha ny fampitam-baovao voaray, mitentina 200 tapitrisa Ar ny tentimbin’ny entana levon’ny afo.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.