Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fihaonana: nohatsarain’ny Star ny famatsian-drano

    Nohavaozin’ny orinasa Star, niara-niombon’antoka tamin’ny kaominina sy ny orinasa ATTR, ny famatsian-drano fisotro ao amin’ny kaominina Fihaonana, distrika Ankazobe, faritra Analamanga. Efa antitra ny teo aloha ka tsy nandeha araka ny tokony ho izy intsony ny famatsiana. Araka izany, nosoloina ny fitaovana fisintoman-drano amin’ny alalan’ny fampiasana herinaratra avy amin’ny masoandro, napetraka eo ambony tafon’ny lycée Fihaonana. Nohatsaraina ireo fitobian-drano miisa dimy, misy toerana manadio ny rano mialoha ny hiparitahany any amin’ny paompin-drano.

    Maherin’ny 3 000 ny mponina misitraka ity fotodrafitrasa vaovao ity any Fihaonana. Nanamboatra paompin-drano roa koa ny Star, ho an’ny mponina manodidina ny lycée Fihaonana ny iray, ary ho an’ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity ny faharoa.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.