Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanambaran’ny olon-tsotra: mitaky fanazavana momba ny kabarin’ny filohan’ny HCC

Fanambaran’ny olon-tsotra: mitaky fanazavana momba ny kabarin’ny filohan’ny HCC

« Olom-pirenena tsotra izahay ary mahatsiaro ho voatohintohina manoloana ny lahatenin’ny filohan’ny HCC ny 28 novambra lasa teo », hoy ny mpitarika, Razafimandimby Tinou, tetsy Antsahabe, omaly. Nohitsin’izy ireo fa kabary mitanila sy mifono hevitra ambadika ny nataon-dRakotoarisoa Jean Eric. Tsy tokony hanao lahateny ny tahaka ireny. Takin’izy ireo ny hanazavan’ny mpitondra izany ary nanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo mpitantana isan-tokony izany. Tsiahivina fa anisan’ny nivoitra tamin’ny hafatry ny filohan’ny HCC ho an’ny rehetra ny resaka tantaram-pirenena. « Fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny fanjakana ity taona 2018 ity ho an’ireo tena mahalala ny tantara tena izy fa tsy ny tantara ofisialy. Very sy nofoanana ary novonoina tamin’ny fanjanahantany izany. Adidintsika, indrindra ireo hitondra ny firenena, ny manatanteraka izany ka asakasaka ireo hitsivalana izany… Masina ny tanindrazana”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Eric.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.