Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety: higadona eto an-tanindrazana, anio, ny CosPN

Raha ny loharanom-baovao voaray, ho tonga eto an-tanindrazana, anio, ny ekipan’ny polisim-pirenena, ny CosPN, rehefa avy nibata ny amboaran’ny “CCCOI” tany Seychelles. Raha tsiahivina, nomontsanin’ny ekipa malagasy tamin’ny isa mavesatra, 86 no ho 70, ny ekipan’ny Premium Cobras avy any Seychelles. Fihaonana anisan’ny mafy ho an’ny CosPN satria karazana lalao famaranana teo amin’ny roa tonta. Nody ventina anefa ny rano nantsakaina ho an’ny ekipa malagasy ary hody miaraka amin’ny amboara ireo mpilalao ho amin’ity anio ity. Fahombiazana tanteraka ho an’ny CosPN iny lalao fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka ny ranomasimbe Indianina iny satria ny mpilalao malagasy, Ratianarivo Livio, no voahosotra ho mpilalao mendrika. Tamin’ny alalan’izao fandresena izao ihany koa no nahazoan’i Madagasikara ny tapakila ho an’ny amin’ny “Afroleague 2019” karakarain’ny Fiba. Ho avy hitsena ireto mahery fo malagasy ireto eny amin’ny seram-piara-manidina Ivato, anio, ireo mpakafy sy mpanohana azy ireo.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.