Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatofinandrahana: mpanao “kidnapping” roa maty voatifitry ny zandary

Ambatofinandrahana: mpanao “kidnapping” roa maty voatifitry ny zandary

Nandritra ny fifandonana, tamin’ny zandary, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Modia, kaominina ambanivohitr’i Mangataboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, jiolahy mpanao “kidnapping” roa  maty voatifitry ny zandary, ny 9 desambra teo.

Tratra tany amin’ireto jiolahy ireo ny basim-borona iray sy basy lava vita tanana iray ka nogiazan’ny zandary avy hatrany. Votsotra tsy nisy fandoavam-bola ny lehilahy lehibe iray, 70 taona nalain’ireo jiolahy an-keriny. Olona telo avy amin’ireo fokonolona nanampy ny zandary tamin’ny fanarahan-dia kosa naratra. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nalain’ireo andian-jiolahy miisa 30 nirongo fitaovam-piadiana ny lehilahy lehibe iray 70 taona, ny 5 desambra 2018. Nitaky vola 4 tapitrisa Ar ho takalon’ny famotsorana ilay olona nalaina an-keriny ireo jiolahy, saingy nitaraina ho tsy nanam-bola ny fianakaviana ka nampandre haingana ny zandary. Nampiasa ny fahizany ny toerana ireo zandary nampian’ireo mponina ka nihazo ny toerana ahina hieren’ireto jiolahy ireto. Hita tokoa ny ala niafenan’izy ireo ka raikitra ny fifandonana izay naharitra efa ho 30 minitra. Niezaka nandositra ireo jiolahy, saingy tsy ela dia hita indray ka nitohy ny fifandonana. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 mn hariva, nandositra ireo jiolahy rehefa nahita fa lavo ireo roa lahy mpitarika azy ireo. Votsotry ny zandary teo am-pelatanan’ireo jiolahy, araka izany, ilay olona nalaina an-keriny ary tsy nandoavam-bola. Nanamafy hatrany ny zandary fa miaro ny mpiray tanindrazana aminy ary  miasa tsy  misy tambiny na sarotra aza ny asan’izy ireo.

J.C

Les commentaires sont fermées.