Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aoka ho tony…

Aoka ho tony…

Herinandro sisa ! Hotanterahina amin’ny herin’ny anio ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana faharoa. Ho alarobia tsy miverina io. Aoka anefa ho tony isika… Efa fantatra fa tsy hitovy avokoa ny safidin’ny tsirairay, eny hatramin’ny mpivady, namana, fianakaviana, mpiara-monina… Samy manana ny azy. Samy manana ny maharesy lahatra azy amin’ireo kandidà roa farany hiatrika ny famaranana. Aoka anefa tsy hanova ny fifandraisana efa nisy eo amintsika izany… Tokony  samy hanam-panahy sy fahendrena avokoa isika satria tsy mendrika ny maha Malagasy tia sy nandala ny fihavanana antsika ny fifandrafiana, ny fifampihantsiana, ny ady, ny fifandrangitana. Eny hatrany amin’ny fifampikasihan-tanana. Aleo ny hevitra no ampiadiana fa tsy ho entin’ny fo rano mafana na ho taitaitra ambony ihany. Efa tokony ho vonona hanaiky ny ho lany eo sy ny vokatra koa ny rehetra. Hataontsika adin’ombalahin’ny mpianakavy… Ny mandresy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina… sady ho fanajana ny demokrasia rahateo izany.

Mbola manana fotoana, herinandro koa anefa ireo misalasala na koa tsy mbola manana ny safidiny. Diniho sy fakafakao ary lanjalanjao ireo vina sy ny fandaharanasa maharesy lahatra. Aoka ho ao anatin’ny fitoniana avokoa anefa izany fa tsy handray an-tendrony sy hihinana am-bolony na koa handeha an-jambany fa ho any fa ho any. Afaka dimy taona indray mantsy vao misy fifidianana, tahaka izao, sao hovidina lafo izany… Jereo ny hoavin’ny taranaka fara aman-dimby mba tsy hotsarain’izy ireo sy ny tantara isika.  Fotoana izao hakana ambony, hijerana ambany ny vinan’izy ireo. Tsy mbola tara raha haka fanapahan-kevitra am-piheverena hijerena ny ampitso. Mbola ho maro koa anefa ny resaka, lahateny na kabary arahin’ny fandresen-dahatra handeha ao anatin’ny dimy andro farany. Mahaiza mitsakotsako sy mandinika izany ary hahay hanavaka ny vary amin’ny tsiparifary. Ny lainga sy ny marina, ny fitaka sy ny fampanantenana poakaty, ny ho vita sy ny mety ho resabe fotsiny… Mahaiza mametraka fijery tsy mitanila sy mahitsy fa kihon-dalan’ny tantara ity indray mandeha ity. Na izany aza anefa, aoka ho tony hatrany ….

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.