Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mivaivay!

Mivaivay!

Mivaivay. Izay ny azo ilazana ny fandehan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao. Eo aloha ny adihevitra (débat politique) nifanandrinan’ireo kandidà roa lahy hiatrika fifidianana fihodinana faharoa amin’ny faha-19 desambra ho avy izao. Niteraka adihevitra tsy toko tsy forohina izany tany anatin’ireo tambajotran-tserasera ireny. Samy nilaza izay fahitany azy ny mpiandany amin’ny roa tonta. Fanakianana, fanohanana, fanaratsiana, fitenenan-dratsy, fanompana… Malalaka, malalaka loatra ny fanehoan-kevitra ka zary mivaona sy mihoa-pefy ny sasany. Toa mila hampisara-bazana mihitsy aza ka izay ny tena raharaha. Ho hita eo indray ny tohiny afaka andro vitsivitsy. Indrindra fa efa hiditra amin’ny dingana farany, faradoboka amin’ny fampielezan-kevitra, ireto kandidà roa ireto. Mivaivay!

Mivaivay koa, fa asa na mba tsapan’ny mpitondra fanjakana ny olana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka ankehitriny. Tapaka lava ny jiro, zara raha mandeha ny rano; ny andro anefa, manevokevoka mila hahafaty. Ompa sisa tsy ataon’ny mpanjifa. Tafahoatra loatra ny ataon’ny Jirama, toa miala bala lava amin’ny hoe “noho ny fahanteran’ny fitaovana”, sns, ny mahatonga izany. Impiry izay no nanoloana ireo mpitantana ao amin’ity orinasam-panjakana ity fa tsy hita ihany izay fihatsarana sy fanomezana tolotra mahafa-po ny mpanjifa. Ny mpanjifa izay tsy mangataka na mitalaho fa miala vola tsy tapaka amin’ny fandoavana faktiora isam-bolana. Tsy maniry loza akory raha milaza fa mety hitsefotra sy hipoaka ihany ny “tension” raha mitohy izao. Efa nanomboka, manomboka miseho, ohatra, ny hatezeram-bahoaka, amin’ny alalan’ireny fihetsiketsehana an-dalambe sy fandorana kodiarana toa izay niseho teny Itaosy, afakomaly alina, ireny.

Lalovana fotsiny fa efa iainana andavanandro ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny firongatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana, mihamahery vaika dia mihamahery vaika tokoa ankehitriny. Manginy fotsiny ny gaboraraka amin’ny fitohanan’ny fifamoivohizana, ny tendrombohitra fako, ny faharatsian’ny lalana,… Mivaivay!!!

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.