Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Slam National » faha-9: tompondakan’i Madagasikara i Tokyo Harem

« Slam National » faha-9: tompondakan’i Madagasikara i Tokyo Harem

Hetsika kolontsaina sy zavakanto nanamarika iny herinandro nivalona iny ny « Slam National » andiany fahasivy. Notanterahina ny asabotsy 8 desambra teo ny famaranana ka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara i Tokyo Harem. Izy izany no hisolo tena an’i Madagasikara any ivelany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny taona ho avy izao. Nifaninana taminy tamin’izany i Poète Rebelle, i Conan, i Lems, i Mickael, i Leslie ary i Bali. Marihina teo amin’ny sokajin’olon-tokana ny nahazoany io laharam-boninahitra voalohany io.

Teo amin’ny fifaninanana samy sokajy indray, niatrika ny famaranana ny avy any Toamasina, avy any Toliara, avy any Mahajanga ary ny avy eto Antananarivo. Izy ireto (Antananarivo) no nahazo ny laharana voalohany. Sokajy nahitana an’i Zafimahaleo Jerry Benson, i Poète Rebelle, Andriamisetra Vokatrin’ny Nofy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny “Slam Média” kosa i Makwa Joma sy i Lova.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.