Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 20»: tafita amin’ny manasa-dalana ny Cosfa

Rugby – «Gold Top 20»: tafita amin’ny manasa-dalana ny Cosfa

Tontosa, omaly alahady tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalana miverina, teo amin’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny JSTA Ambondrona. Tafita amin’ny ankatoky ny famaranana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Gold Top 20”, ny Cosfa, rehefa nandresy ny JSTA, tamin’ny isa 42 no ho 37. Niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, saingy tany amin’ny 10 mn farany vao namotsotra ny JSTA.

Nifanakaiky hatrany am-boalohany ny isa. Nisy mihitsy fotoana nitarihan’ny JSTA, tamin’ny isa 26 no ho 25. Tsy nilalao i Hery sy i Ismael, ho an’ny Cosfa, raha i L’homme kosa ny an’Ambondrona.

Nitarika tamin’ny isa, 33 no ho 29, ny Cosfa teo am-pialan-tsasatra. Niady mafy teo amin’ny tapa-potoana faharoa ry Tovo sy ry Piso ary i Nasolo, ho an’ny JSTA, saingy nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny fahaiza-manao ry Dadanay sy i Dô ary i Setrabe, nampian-dRaglady sy i Hervé, tao anaty “avant”, ho an’ny Bebaoty.

Hifandona amin’ny Cosfa eo amin’ny manasa-dalana izany ny FTA Andavamamba ary ny FTM kosa, hifanazava amin’ny TFA Anatihazo.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.