Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kick boxing – «Mada 2018»: vonona Analamanga

    Efa ao anatin’ny fanomanana farany hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja kick-boxing, sokajy “senior”, ny atleta avy amin’ny ligin’Analamanga. Raha tsiahivina, hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ity fifaninanam-pirenena ity, ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra ho avy izao. Nambaran-dRatolojanahary Jean Aimé, tale teknika rezionaly (DTR), fa efa telo na efatra herinandro teo izao ny mpikatroka Analamanga 25 mianadahy no efa niaraka nanoman-tena.

    Vonona amin’ny vatana sy ny saina izy ireo handrombaka medaly volamena araka izay ho tratra. Tsiahivina fa miisa 11 ireo ligim-paritra handray anjara amin’izany: Analamanga, i Boeny, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Ihorombe, i Matsiatra Ambony, i Melaky, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, i Vatovavy Fitovinany, i Vakinankaratra. Ankoatra ny K1 sy “low kick”, hiady izay ho tompondakany koa ny “pancrace” amin’io fotoana io. Nisaotra ny federasiona Rakotomino Harifetra, filohan’ny ligin’Analamanga, ny amin’ny nanomezana azy ireo fitokisana hampiantrano ity fifaninanam-pirenena ity.

    Ankoatra izay, nambaran’i Anigael Gastros, tale teknika nasionaly, fa maro ireo fifaninanana iraisam-pirenena miandry an’i Madagasikara, ho an’ny taona 2019. Anisan’izany ny ” Irish Open International”, hatao any Dublin, Irland, ny 1 – 3 marsa sy ny “Best fighter”, hotanterahina any Rimini, Italia, ny 14 – 16 jona, ary ny “World Championships”, any Bosnie Herzegovine, ny 19 – 27 oktobra 2019.

     

    Torcelin

    Les commentaires sont fermées.