Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: herinandro fialana nenina

Mafampana ity herinandro dinganina ity. Tsy maintsy hiezaka arak’izay azony atao ireo mpifaninana amin’ ny fifidianana sy ny tafi-bahoaka mpanohana azy, handresen-dahatra ireo mpifidy izay mbola ao anatin’ny fisalasalana, anisan’izany ireo tsy tapa-kevitra na handeha handatsa-bato na tsia. Eo koa ireo tsy mbola nanapaka ny safidiny tena entitra mikasika ny fironana amin’itsy na an’iroa.

Na somary very hevitra be ihany aza ny ankamaron’ny mponina, sady mbola tsy ketraka tanteraka fa manao izay ho afany eo am-panomanana ny fety, manoloana ny setrasetran’ny vidi-piainana, dia efa tsindrian-daona avokoa miandry izay havoakan’ny fifidianana. Samy manana izay antenainy, na vitsy aza ny manantena ny hisian’ny fahagagana. Tsy mety fa olombelona, ka na efa difotry ny fahasarotana aza dia mbola iny kely ny fifikirana amina sombitsombi-kevitra mangiram-potsy hoentina hamelombelona fahazavana ho an’ny ampitso. Iaraha-mahalala ny fahasahiranana sy fahoriana mianjady amin’ny ankamaron’ny mponina, izay ny sasantsasany aza dia efa azo lazaina ho latsaka lalina ao anaty lavaky ny fahantrana. Rehefa izany ny zava-misy, tsy maintsy hiala nenina ny mpifaninana amin’ny fahaizana mandresy lahatra. Miankina amin’ny famelabelarana ny fahaizan’ny tena hitantana no fomba hisarihana ireo latsaka an-davaka mba hahafahan’izy ireo hisitraka ny anjara masoandrony.

Tsy tanteraka indray andro anefa izany, no sady tsy maintsy ahitana rafitra mateza ihany koa fa tsy vitan’ny fiantrana atao ho fitsinjovana isan’andro ny fomba famokisana ny noana. Tsy mendrika ny fanaovana azy ho an’ny vahoaka ny ho toy ny mpangataka ny anjara omanina, na eo aza ny adidy mipetraka mikasika ny fitondrana vonjy ho an’ireo ianjadin’ny fahasahiranana mihatra aman’aina. Inona moa no mifanipaka amin’ny fahantrana afa-tsy ny harena? Inona moa no miteraka harena afa-tsy ny famokarana? Na ny harena voajanahary aza moa tsy hita hositrahana raha tsy eo ny asa.

Ho an’ny Malagasy ivelan’ny ozinina famokarana ny entana ilain’ny mpanjifa eto an-toerana, entana mbola afarana avy any ivelany ankehitriny, ny mahamaika no sady mety ho tanteraka haingana dia ny fampiroboroboana ny vokatry ny tany. Tsy ho afaka handeha ila anefa ny ezaka ataon’ny tantsaha sy ny fanomezana azy tohana ahafahany mampitombo ny vokatry ny fambolena sy fiompiana, raha mbola manjaka ny fandroban’ny dahalo sy ny fanambakana ny mpamokatra eo amin’ny tsenam-barotra.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.