Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bianco: “Mitaky fahavononana politika ny ady amin’ny kolikoly”

Bianco: “Mitaky fahavononana politika ny ady amin’ny kolikoly”

“Mitaky fahavononana politikan’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra ary ny tsirairay handa ny kolikoly ny fahombiazan’ny paikady hiadiana amin’izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco,  Andriamifidy Jean Louis, tao Antsirabe ny faran’ny herinandro teo.  Nomarihina ny 9 desambra ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, nankalazana ny fifanarahan’ny ONU sy ireo firenena nanasonia ny “Fifanarahan’i Merida”. Nentanina ny rehetra hiady amin’ny kolikoly satria tsy hisy fampandrosoana raha mbola manjaka izany. “Niarahantsika nahita fa tao anatin’ny telo taona nisesy, nidina ny taham-pahatsapana ny kolikoly teto amintsika. Niantraika teo amin’ny sosialy sy ny toekarena ary ny politikan’ny firenena izany. Mbola misy anefa ny fanantenana raha tapa-kevitra isika fa handray ny andraikitra eo amin’ny sehatra rehetra mba hiady amin’ny kolikoly”, hoy ihany ny Bianco. Notsiahiviny fa eo anelanelan’ny fihodinana voalohany sy faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fankalazana. Kihon-dalana amin’ny hoavy izany ka hiandradran’ny rehetra fanjakana tsara tantana sy tan-dàlàna hitondra any amin’ny fampandrosoana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.