Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – FMBB: hatsaraina ny kalitaon’ny fifaninanana

Basikety – FMBB: hatsaraina ny kalitaon’ny fifaninanana

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriambe ara-potoana, eo anivon’ny federasiona malagasy ny taranja basikety. Fotoana nahafahan’ireo ligy nanao tatitra nandritra ny taom-pilalaovana 2018. Tonga nanatrika ity fivoriambe ity ny ligy miisa 19 amin’ny 21.

Tao anatin’ny fandaharam-potoana ny fandinihana ny lalàna anatiny mifehy ny              FMBB sy ny lalàn’ny fitsarana ny lalao, eo amin’ny taranja basikety, hanatsarana ny  kalitaon’ny fifaninanana.

Natao laharam-pahamehana ihany koa ny fandinihana stratejia vaovao hanatsarana ny fifaninanana iraisam-pirenena hahazoana vokatra tsara. Hisy ny zava-baovao ezahina hotanterahina amin’ny taom-pilalaovana manaraka ity, ohatra, ny fampitomboana ny fifaninanana 3×3 ho fampivoarana ny traikefan’ny mpilalao malagasy. Ho fanomanana ny ady goavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra ny “Lalaon’ny Nosy”, ny volana jolay 2019, ny mahatonga ny federasiona mitady ny fomba rehetra hanatsarana ny tontolon’ny basikety eto Madagasikara. Nanambara ihany koa ny filohan’ny federasiona fa ilaina fifanohanana ny fiatrehana ny ady goavana toy izao. “Tsy mora ny miandry antsika amin’iny taona 2019 iny, indrindra amin’ny lalao iraisam-pirenena. Ilaina araka ny fanohanana avy amin’ny ambaratonga tsirairay. Mila fanomanana tsara avy amin’ny mpilalao ihany koa izany ary mitaky ezaka. Tsy hahagaga ny mety hahazoana vokatra ratsy raha toa ka tsy izao dia efa manomboka amin’ny fanomanana ny rehetra”, hoy ny fanazavana nentin’ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel. Misy ny fanahiana amin’ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy ho avy io, raha ny fanazavana hatrany, raha toa ka tsy miova ny fomba fijery amin’ny fanatanjahantena eto Madagasikara. Mafy rahateo ny fanomanana indrindra ny ara-bola. Tsy azo tazanim-potsiny anefa izany fa tsy maintsy mandray andraikitra ny federasiona, hoy hatrany ny nambaran’ny filohan’ny FMBB.

Marihina fa tapaka tamin’ity fivoriana ity ihany koa fa Ramanarivo Alain no tafapetraka eo amin’ny toeran’ny filoha lefitry ny FMBB manomboka izao.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.