Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

8 215 ny tranga hita : 575 ny mararin’ny kitrotro niditra hopitaly

Nanomboka ny volana septambra lasa teo no niseho ny trangana aretina kitrotro teto amintsika. Ny volana oktobra vao nitombo tsikelikely ny tranga voatily ary nahatratra 250 na mihoatra izany. Ho an’ny volana novambra, nahatratra 400 mahery ny tranga, araka ny antontanisa avy any amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. 19 ny hopitaly mandray ny mararin’ny kitrotro ka mila fitsaboana manokana noho ny fahasarotana. 575 ny isan’ny nanaraka fitsaboana hatramin’izao ka ao amin’ny hopitaly Befeletanana (Antananarivo) ny 206 amin’izy ireo. Ny zaza herintaona ka hatramin’ny 14 taona ny maro an’isa amin’ireo voan’ny aretina kitrotro. Voakasika ny distrikan’Arivonimamo, Ambatondrazaka, Tsironoamandidy, Amparafaravola…

Anisan’ny voalaza fa nampirongatra ny aretina kitrotro tamin’ity taona ity ny fahalainan’ny reny nampanao vaksiny miaro amin’ny kitrotro ny zanany feno 9 volana. Marefo izy ireny ka mora ifindran’ny aretina kitrotro. Ny fahataran’ny fanatonana mpitsabo no mampitombo ny fahasarotana amin’ny fitsaboana.  8 215 ny tranga voatily amin’ny distrika 38 tao anatin’ny efa-bolana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.