Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Unicef-Japoney: aranty eny Ankorondrano ny olan’ny fahazoan-drano

Unicef-Japoney: aranty eny Ankorondrano ny olan’ny fahazoan-drano

Mandritra ny hadimiana, nanomboka omaly, haranty ao amin’ny La City Ivandry ny olana sedrain’ny mponina any Atsimo momba ny rano sy ny fomba ahazoan’izy ireo izany, ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro. Tanjona ny hampahafantatra amin’ny daholobe eto Antananarivo ny fijalian’ny tokantrano vao mahazo rano ahandroana sakafo sy hidiovana any Atsimo, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Michel Saint-Lot. Rehefa mahita ireo sary ireo ny mpitsidika sy ny mpitondra fanjakana dia hanetsika ny hambompon’ny mpitondra izany ka hanokanan’izy ireo vola bebe kokoa hanatsarana ny fahazoan-drano any Atsimo. « Olana teo aloha, betsaka ny fotodrafitrasa efa nataon’ny fanjakana japoney sy ny mpiray ombon’antoka toy ny fametrahana vovo, ny paompin-drano iraisana, ny fantsona fitarihan-drano… saingy simba avokoa izy ireny vokatry ny tsy fisian’ny fikojakojana azy », hoy ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Rano. Manomboka eto, ny ampahan’ny vola azo amin’ny tetikasa famatsian-drano any Atsimo miaraka amin’ny fanjakana japoney sy ny Unicef atokana hikojana ny fitaovana sy fotodrafitrasa misy.

20 taona mahery no efa niasa ho an’ny fanatsarana ny fahazoan-drano any Atsimo ny fanjakana japoney ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao. 300 000 ny olona afaka nisitraka rano ary hiampy 40 000 izany rehefa vita ny fantsona lehibe ao Ampotaka, hoy ny masoivoho japoney miasa eto amintsika, i Ichiro Ogasawara.

Ny taona 2017, nanolotra vola mitentina 4 tapitrisa  dolara ny Japoney nahafahan’ny Unicef  nanampiana ny vondron’olona marefo any Atsimo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.