Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raharaha Arman Kamis: “Tsy hanaiky fanelanelanana aho…”, hoy ny Prokirera

Raharaha Arman Kamis: “Tsy hanaiky fanelanelanana aho…”, hoy ny Prokirera

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Toamasina, omaly ny tonia mpampanoa lalàna momba ny raharaha fakana an-keriny an’i Arman Kamis…

Fanambiko ny tsy hanaiky fanelanelanana na avy amin’iza na iza”, hoy ny tonia mpampanoa lalàna ao Toamasina, Rajaonah Thierry, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina momba ny raharaha fakana an-keriny ilay teratany karana, i Mohamed Arman Kamis, tale jeneralin’ny “Trans Fy”. Nambarany fa fotoana izao hilazana ny fizotran’ny raharaha satria mifarana hatreo aloha ny andiany voalohany amin’ny famotorana ka miisa valo mianadahy hatreto ny hatolotra ny fampanoavan. Aanisan’izany, i Manantena Haja, voasambotra tany Antsirabe ary tena atidohan’ny fikotrehana ny fakana an-keriny maro teto amin’ny firenena, araka ny nambarany hatrany. “Tsy hanaiky fanelanelanana na avy amin’iza na avy amin’iza aho raha mbola eto Toamasina no hisahana ity raharaha ity”, hoy izy. Nohamafisin’ity mpahay lalàna ity hatrany fa ny datin’ny 23 novambra 2018 dia efa azo avokoa ny sary sy ny anaran’ireo olona nanatontosa ny fakana an-keriny. Nilaza izy fa raha ny momba an’i Manantena Haja manokana, efa nosamborina tamina fakana an-keriny an’i Hassan Kamdje izy ary niditra vonjimaika am-ponja ny 26 mey 2016.

Sajo

Les commentaires sont fermées.