Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpamonjy voina: notapahina ireo hazo mampidi-doza

Mpamonjy voina: notapahina ireo hazo mampidi-doza

Ho fisorohana ny loza izay mety hitranga eto an-dRenivohitra mandritra izao fotoam-pahavaratra izao, nanapaka ireo hazo lo sy ahina hianjera rehetra eto an-dRenivohitra ny sampana mpamonjy voina teny Betongolo sy Ambohijatovo.

Rehefa avy ny orana, betsaka ireo hazo atahorana hidaraboka, ka mety hahafaty olona na hanimba zavatra na hanapaka lalana. Izay indrindra no mahatonga azy ireo handray izao fepetra izao mba tsy hitrangan’ny loza.
Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny sampana mpamonjy voina, afaka miantso ny laharana 118 ny mponina raha toa ka mahita hazo, na trano, na vatobe  ahina mety hitera-doza ho an’ny vahoaka.

Ankoatra izay, efa misy ny sampan-draharaha manokana izay mitsirika ireo tranga mampiahiahy, mety hitera-doza, ao amin’ny sampana mpamonjy voina.
Mila mailo hatrany ny rehetra ary miantso avy hatrany ny sampana mpamonjy voina raha mahita tranga mampiahiahy, ka mety hitera-doza.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.