Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kandidà Rajoelina: « Tsy maintsy mandresy isika… Reseo lahatra ireo misalasala”

Kandidà Rajoelina: « Tsy maintsy mandresy isika… Reseo lahatra ireo misalasala”

Nitohy tany Mangamila, Anjozorobe, Betatao ary nihazo an’Ambatomanohina sy Ankazobe ny dian’ny kandidà Rajoelina, omaly. « Efa nilaza aho fa ho vahaolana hoan’ny firenena fa tsy hitondra olana. Hitondra hazavana fa tsy hitondra haizina. Eo amin’ny sampanan-dalana goavana isika ankehitriny. Ampio aho hahafahako manampy anareo. Tsy maintsy mandresy isika. Reseo lahatra ireo rehetra mbola misalasala. Vonona aho ary efa voasedra…”, hoy izy tamin’ireo kaominina maromaro sy renivohitry ny distrika ireo.  Nanteriny fa tsy miandry ho lany ny tenany vao hitondra vahaolana. Nambarany fa hanafatra fitaovam-piadiana betsaka isika ary homena fiara 4×4 miaraka amin’ny angidimby misa 10 ny mpitandro filaminana. Notsiahiviny fa efa nanao tohodrano tany amin’iny faritra ny tenany, ny taona 2010 ary mbola hanao sy hametraka EPP miaraka amin’ny hopitaly manara-penitra ary hanamboatra lalana koa.

Hanova ny tantara isika…

Ankoatra izany, nampanantena ny hanorina ozinina hamokatra fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro koa ny kandidà laharana faha-13. Hanangana kianja manara-penitra. Homena velaran-tany 10ha tsirairay ireo vonona ary hahazo fiofanana momba ny fambolena. “Izaho, ianao, isika rehetra hiaraka hampandroso an’i Madagasikara. Hovaintsika ny tantara satria rehefa mifidy an’i Andry Rajoelina ianareo, hanana filoha tanora indrindra aty Afrika. Aleo ny tanora no hitondra ny fampandrosoana eto amin’ny firenena”, hoy ihany izy. Nanteriny fa hanampy ny fiangonana katolika sy ny FJKM amin’ny fanorenana sekoly sy ny fiangonana ny tenany. Ny fampidirana rano sy ny fampihenana ny vidin’ny herinaratra. Anisan’ny notsidihiny koa ny teny Talatan’Ivolonondry sy Ambohitromby…

Randria

Les commentaires sont fermées.