Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Distrikan’Atsimondrano: tambajotran-dahalo ravan’ny zandary

Distrikan’Atsimondrano: tambajotran-dahalo ravan’ny zandary

Saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Fenoarivo, ny 28 novambra 2018 lasa teo ireo tambajotran-jiolahy nahitana vehivavy iray. Ny 26 novambra 2018 alina, nangalatra omby miisa roa tao Antanimena, fokontany Ambohijatovo, kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano ireto dahalo ireto. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona ka nifarana tao Anosimasina, fokontany Ampasika Bemasoandro tao an-tranon-dRaliva mpivaro-kena. Rehefa natao ny fisavana ny trano dia hita tao ny tapaky ny tady namatorana ireo omby notadiavina. Nandritra ny fanadihadian’ny zandary ny vadin’ny tompon-trano sy ny zanany dia niaiky izy ireo fa novonoina tao an-trano ireo omby ireo ary namidy any an-tsenan’izy ireo any Ambodin’Isotry. Tratra ireo dimy lahy nitaky vidin-kena 1 600 000 Ar tao an-tranon-dRaliva. Niaiky ny heloka ireto tambajotra ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.