Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahamaizan’ny akanin’ny zandary Arivonimamo: nankahery ireo ankizy ny Seg sy ny kaomandin’ny zandary  

Fahamaizan’ny akanin’ny zandary Arivonimamo: nankahery ireo ankizy ny Seg sy ny kaomandin’ny zandary   

 

Trano iray natokana handrian’ireo zazavavy ao amin’ny akany fitaizana zaza kambotin’ny zandarimaria ao Arivonimamo no may hotohoton’ny afo, ny 5 desambra 2018 tokony ho tamin’ny 10 ora sy 30 mn. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra, saingy ravan’ny afo avokoa na ny trano, na ny entana rehetra, na ny fanaka hatramin’ny entan’ireo ankizy tsirairay miampy ny fitaovam-pianarany, raha ny tatitra nampitain’ny zandarimaria. Ankizikely iray no nahita ny afo efa manomboka miitatra ka nivoaka niantso ny tompon’andraikitra mpiandry raharaha, niantso vonjy sady niezaka namoaka ireo ankizy mbola tao an-trano. Fotoana fohy taorian’izay, nifanesy nitsidika sady nankahery ary nivimbina izay voarambin’ny tanany ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, narahan’ny fikambanana FIVAZA, nanolotra fitaovana maromaro, ny alin’io voina io ihany. Nitohy, omaly tontolo andro izany. Hita teny an-toerana nankahery ireo ankizy ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) sy ireo mpiara-miasa aminy, teo koa ny Jeneraly kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COM GN) sy ireo mpiara-miasa aminy. Mitontaly 5 tapitrisa Ar ny fanampiana voarain’ny akany ka samy nanolotra 2 tapitrisa Ar avy ny Seg sy ny COM GN. Nisy koa fanomezana entana sy kojakoja samy hafa ho an’ny akany izay azo ampiasaina avy hatrany. Samy niarahaba sy nankahery ireo kamboty tsy maty fo aman’aina ireto tompon’andraikitra rehetra ireto.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.