
Manao tohivakana. Resy lahatra ka hampandany ny kandidà Rajoelina amin’izao fifidianana izao ny kandidà, ny Jly Ravelonarivo Jean. “Nanapa-kevitra izahay fa hanohana ny kandidà laharana faha-13. Mifanandrify amin’ny vinan’ny antoko Aba ny fandaharanasan’ny kandidç Rajoelina”, hoy izy tetsy Antsahabe, omaly. Nambarany fa anisan’ny itoviana amin’izany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly ary ny ady amin’ny fahantrana. Eo koa ny fijerena ny vehivavy sy ny tanora. “Koa mitaona ny vahoaka sy ireo namana rehetra izahay hanohana sy hifidy ny kandidà Rajoelina”, hoy ihany izy.
Nanao fanambarana tetsy Antsakaviro koa ny eo anivon’ny F2MF, omaly. “Imasoanay ary maha saropiaro ny fikambanana ny fampandrosoana koa vonona izahay hifanome tanana amin’ny kandidà Rajoelina. Fanohanana tsy misy fepetra izany. Misongadina amin’ny veliranon’ny kandidà laharana faha-13 ny tena fampandrosoana miantraika mivantana amin’ny vahoaka. Azo tsapain-tanana sy voarefy”, hoy izy ireo. Notsindrin’ity fikambanana ity fa anisan’ny ao anatin’ny IEM koa ny fametrahana fandriampahalemana…
Naneho fahavononana ny F2MF fa hampiasa ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ary koa ny paikady hampandaniana ny kandidà Rajoelina ny 19 desambra izao.
Randria sy Fano
Les commentaires sont fermées.