Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka: nohavaozina ny politikam-pirenena 

Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka: nohavaozina ny politikam-pirenena 

Afaka dimy taona, tanjona ny hampidina ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona ho 38% raha mbola 43,7% izany, araka ny fanadihadian’ny Ensmod 2013. Tany aloha, naompana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ny asa rehetra fa manomboka amin’ny fampiharana ny drafitrasam-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (PNAN III) 2017-2021, atokana amin’ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny ezaka miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo, Raveloharison Ambinintsoa, omaly teny Antaninarenina. Satria niova ny tanjona, tsy maintsy havaozina ny politikam-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo hifanaraka aminy. Nankatoavina, omaly, ny fanavaozana ity politika ity ary nandraisan’ny minisitera voakasika sy ny mpiray ombon’antoka ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Tanjona andrasana ao anatin’ny  politikam-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo ny fampihenana ho 28% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Eo koa ny fampidinana ny tahan’ny zaza kely lanja eo am-pahaterahana ho 8% sy ny fampiakarana ny tahan’ny fampinonoan-dreny (tsy misy fangarony) ny zaza vao teraka ka hatramin’ny enim-bolana tsy ho latsaky ny 50%. Vina hitondra amin’ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny zaza latsaky ny roa taona avokoa ireo. Manomboka amin’ny fitondrana vohoka ny zaza ka hatramin’ny faha-2 taon’ny zaza (1 000 andro voalohany) ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Anisan’ny manatanteraka ny politikam-pirenena ny tetikasa Fahasalamana sy fanjarian-tsakafo eny ifotony (Fafy) miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena manomboka amin’ny faritra efatra ahitana tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ambony mihoatra ny 60% : Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.