Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiadana: jiolahy iray tratran’ny polisy

Tsiadana: jiolahy iray tratran’ny polisy

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa eny Ambohijatovo Avaratra teny Tsiadana, ny zoma alina teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana sinto-mahery. Noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity. Tovovavy iray handeha hody tratra alina no niharan’ny herisetran’ilay jiolahy. Naheno ny antso vonjin’ilay tovovavy niharan’ny herisetra ny polisy nanao fisafoana tamin’iny toerana iny ka nifanenjika tamin’ilay jiolahy. Tsy lasa lavitra anefa izy ka tratran’ny polisy ihany. Malaza ratsy amin’ny fanendahana olona amin’iny faritra iny ity jiolahy ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.