Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Revy rock”: nahatanteraka ny fanambiny i Roova

“Revy rock”: nahatanteraka ny fanambiny i Roova

Tsy nisy ny fotoana banga na ilay fikenonkenonana miseho amin’ny alalan’ny fanandramana ireo zavamaneno fa vavany avy hatrany. Tsy nisy nivaona fa voafehy, araka izay nanomanana azy, ny fandaharam-potoana nosoritana… Nahatanteraka ny fanambiny, nanolotra ny kanto indrindra avy any aminy, i Roova, nandritra ilay alim-pikoranana notontosainy teny amin’ny SK Melody Ambohidratrimo.

Loabolana ireo mpankafy fa “kanto ny endrika nentin’i Roova, nanolotra ny “Revy rock” ”. Tsikaritra io tamin’ny haingon-tsehatra matihanina sy ny jiro ombana hazavana ary ny fanamafisam-peo. Ankoatra ireo ny fahaizana nifehy ireo hira natolotra ho an’ny mpanatrika.

Nisy hatrany ny fampiaraham-peo teo amin’ity mpanakanto ity sy ireo mpankafy vory lanona. Anisan’ny vazo niarahana ny “Ho anao irery ihany”, ny “Ny jiro tsy misy”, ny “Tiana sy anjara”, ny “Hira sy mozika”, sns.

“Santatra am-bavarano sahady iny notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo iny fa hanao tohivakana ireo fiakarana an-tsehatra hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy”, hoy i Roova.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.