
Misy fisondrotana vaovao 50 Ar avy indray ny lasantsy sy ny gazoala, nanomboka omaly, raha tamin’ny volana septambra no nisy fiakarana farany (4 150 Ar ny lasantsy, 3 500 Ar ny gazoala). Lasa 4 200 Ar izao ny lasantsy; ny gazoala, 3 550 Ar. Na eo aza ny fihenam-bidin’ny solika eny amin’ny tsena iraisam-pirenena, tsy misy fiantraikany aty amintsika izany hatramin’izao. « Mbola 900 Ar ny elanelana amin’ny vidiny tena izy sy ny vidiny eny amin’ny mpanjifa », araka ny fanazavana nomen’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rasoloelison Lantoniaina.
Tsy mbola nampiharina ara-potoana eto an-toerana ny vidin’ny baril na midina aza. Antony lehibe iray navoitran’ireo mpaninjara solika ny fidinan’ny sandam-bola ariary manoloana ny dolara. Manodidina ny 3 600 Ar ny dolara iray izao, 3 400 Ar izany roa volana lasa.
Olana iray hafa koa, mahatratra 228 miliara Ar ny trosan’ireo kaompania mpaninjara solika ireo amin’ny fanjakana. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana sy mpaninjara, tsy nanetsehana ny vidin-tsolika nandritra roa volana nifanesy, ankoatra izay mety ho antony politika tamin’ny fanomanana fifidianana. Ankehitriny anefa, tsy misy intsony izay fifampidinihana eo amin’ny roa tonta izay nefa misavovona ny trosa tsy vitan’ny fanjakana, araka ny voalazan’ireo mpaninjara solika ireo.
R.Mathieu
Les commentaires sont fermées.